1 Corinthians 8

1Ary mahakasika ny hanina atao sorona ho an’ny sampy—fantantsika fa: “Isika rehetra dia manam-pahalalana.” Ny fahalalana mampirehareha, fa ny fitiavana manangana. 2Raha misy olona iray mihevitra ny tenany fa mahafanta-javatra, dia mbola tsy mahafantatra araka izay tokony hahafantarany akory izany olona izany. 3Fa raha misy olona iray tia an’Andriamanitra, dia fantany izany olona izany.

4Koa raha ny mahakasika ny fihinanana sakafo natao sorona ho an’ny sampy—dia fantantsika fa “ny sampy eto amin’izao tontolo izao dia tsinontsinona” ary “fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.” 5Fa mety misy ireo mody antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra na ety an-tany, toy ny hamaron’ireo “andriamanitra” sy ny hamaron’ireo “tompo.” 6Fa ho antsika, “Iray ihany no Andriamanitra dia ilay Ray, izay avy aminy ny zavatra rehetra, ary Izy no antony hivelomantsika, ary iray no Tompo Jesosy Kristy, izay tamin’ny alalany no nisian’ny zavatra rehetra, ary tamin’ny alalany no nisiantsika.”

7Na izany aza, izany fahalalana izany dia mbola tsy ao amin’ny tsirairay. Fa kosa, ny sasany teo aloha dia nampihatra ny fanompoan-tsampy, dia nihinana izany sakafo izany toy ny hoe zavatra natao sorona ho an’ny sampy izany. Noho izany dia simba ny fieritreretan’izy ireo satria malemy izany.

8Fa tsy ny hanina no hanolotra antsika eo amin’Andriamanitra. Fa tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinana, na koa hoe tsara kokoa raha mihinana izany. 9Tandremo mba tsy ny fahalalanareo no antony hahatonga ireo olona osa ara-pinoana ho tafintohina. 10Fa ataovy toy ny hoe misy mahita ianao, izay manam-pahalalana, mihinana ny sakafo ao amin’ny tempolin’ny sampy. Tsy ny fahalemen’ny fieritreretany ve no nasahiany hihinana izay natolotra ho an’ny sampy?

11Koa nohon’ny fahalalanao ny toetra marina momba ny sampy, dia very ilay rahalahy malemy finoana iray, izay nahafatesan’i Kristy. 12Noho izany, rehefa manota amin’ny rahalahinareo ianareo ka mandratra ny saina malemin’izy ireo, dia manota manohitra an’i Kristy ianareo. Noho izany, raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahiko ho tafintohina, dia tsy hihinan-kena intsony aho, mba tsy avy amiko no hahalavo ny rahalahiko.

13

Copyright information for PltULB